RY VORONA (Felandrano)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
O ry voro-manidina an-danitra eny
Avia manantona ho hafarako ianao
Raha sitrakao dia mba ho ento ireo teny
Indrindra aza adino izao hafatro izao

Ndehana re mba tsidiho ilay malalako izay
Ary ampitao aminy fa manembona aho aty
Fa mitamberina eto daholo hoe ireo vitanay
Hatramin'ireo voady sy dinam-pitia

Dia teneno indrindra ilay tiako hatrizao
Fa satriko hono hoe mba ny ho eo anilany
Ka aza manam-panahiana intsony hoe ianao
Fa na lavitra aza izy dia ianao ilay silany

Koa ndehana ianao fa sasa-miandry izy izay
Ary aza misy adinoina izay hafatro teo
Dia lazao izy fa "mbola ho avy hoe ilay andro iray
Izay fotoana sarobidy hihaonanareo

Fᴇʟᴀɴᴅʀᴀɴᴏ
14/06/2022
--------
Rohy:
79 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Felandrano
Nampiditra : Felandrano
Daty : 02/04/2024 10:58
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135