AZY IANAO (Fidy Art Niaina sy Mino RAMAHEFA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny tranonao nidirany tiako hivantanana
Ny dobonao nilomanosany no tiako hirobohana
Ny tananao fikiriny tiako hotantanana
Ny molotrao notohofany no iriko koa horohana

Saingy efa azy ianao...

Azy ianao ry tiana a!
Ny ranao sy ny azy no efa mikoriana...
Ny fo mitempo iray;
Ny saina zary tokana
Loatra toa sondriana
Nefa... Ny foko koa miontana
Velompamaliana

Dia velom-pialonana
Ny hasambaranao
Velom-panolorana
Ny tsiny mifamaofao
Saingy tsy sahy hanozona aho angamba?
Tia anao loatra ity foko efa jamba!
Noferako hangina; hay tsy azoko terena!
Ny fisisiako aminao mety ho fitiavan-tena?
Lahatra eny izao: voafaritra ho ekena

Izao tokoa no hoe adala izay tia e?
fa tsy zakako ny mahita anareo roa miara-dia
ny masonao jereny mba tiako hobanjinina
Ianao ilay sakambininy mba tiako hofihinina

Saingy efa zy ianao...

Mino Ramahefa sy Fidy Art Niaina - 31 Martsa 2022 -23h338
--------
Rohy:
419 2
Mpakafy: Djess - Fidy Art Niaina
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fidy Art Niaina sy Mino RAMAHEFA
Nampiditra : Fidy Art Niaina
Daty : 16/05/2022 13:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0165