TSY HO FATY AO AM-PO (Fré)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Isan-taona toy izao isika samy mahatsiahy
Ny herim-pon'ny Malagasy tena vonona sy sahy
Hanohitra ny fanjanahana amin'ny endriny rehetra
Mampahory, mamparary,... Fangejana anterisetra.

Isan-taona toy izao dia mitamberina ao an-tsaina,
Fa maro ireo nisikim-ponitra, nanao vy very ny aina
Tsy nataho-masomena, niantrana am-bava basy
Fa vontompaniriana lalina hanafaka ny Malagasy

Indro, isan'andro kosa isika no misitraka ny soa
Ka nandova fahafahana sy fiadanam-po
Nahazo indray ilay fiandrianana, tamintsika hatramin'izay
Samy afaka mirehareha ary mandry fahizay

Fa, isan'andro koa anefa dia takiana aminao
Ny hihazona ny fahafahana efa am-pelantananao
Ka tsy hanaikinaiky foana hanakalo na hivarotra,
Hijoro ho tena Malagasy na ho mora na ho sarotra!

Herinirina Frédéric
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
116 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fré
Nampiditra : Herinirina fre
Daty : 27/08/2024 20:05
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6467