AHITAKO (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AHITAKOAhitako fifaliana
ny eo anilanao
raha toa iniana
ny eto milalao.
Ahitako fitiavana
tsapa lavareny
mampihavana
ny fo ombieny.
Ahitako fiadanana
mandrehitra ahy
vazo notanana
takin'ny fanahy.
Ahitako hazavana
mitondra ho azy
itony hatsarana
ka be vazivazy !
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Embona - Ahy - Fahatsiarovana - Fananarana - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
