You are here: home > Vetso

ANDOSIRAKO - Fredy Jaofera

Azo vakiana?




ANDOSIRAKO





Andosirako ny olona
rehefa mamololona
toe-panahy ambany
toa henatry ny tany.




Andosirako ny trano
'zay nahitana angano,
na hita ho be harena
itoeram-bolamena.




Andosirako ny andry
'zay tsy nahatafandry,
na manan-java-tsoa
tsy manam-paharoa.




Andosirako ny taona
tsaroana nampisaona,
na mirakitra tantara
sarotra eto ambara.




Fredy JAOFERA



Hametraka hevitra

Midira aloha