You are here: home > Vetso

ANTSON'NY NOSY - Fredy Jaofera

Azo vakiana?




ANTSON'NY NOSY





Antson'ny nosy
no mampisosa ny penina
fa mikororosy
satria ao ny be marenina.




Antson'ny nosy
no mampisento mangina
fa voahosihosy
hatramin'ireo manan-jina.




Antson'ny nosy
no anaovana andraikitra
na 'lay lakolosy
maneno fa asa raikitra.




Antson'ny nosy
no iantsorohana adidy
raha mitositosy
sy toy izany 'ty safidy.




Fredy JAOFERA