AO ANATIKO AO IHANY ! (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy voalazako amin'ny sary
'reo tebiteby nampandreraka ;
tsy voadikako raha mba zary
ao anatiko ao tanteraka.



Tsy voalazako amin'ny hira
'reo efa sedra nandalovana ;
tsy mba haiko, na tsy arira
fa ao am-po torandrovana.



Tsy voalazako amin'ny teny
ny ranomaso tsy hay ambara ;
tsy voaborako eto ombieny
fa ao anaty hatrany am-para !



Tsy voalazako amin'ny soratra
'zay alahelo mafy indrindra ;
tsy voavoakako amin'ny ohatra
fa ao am-po ary tsy mirindra.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
1521 0
Hevitra mandeha
hasinando ( 30/05/2006 13:21)
Marin'izany hevitrao zany fa ny alahelom-po tsy hainao tantaraina Andriamanitra irery no afaka hanambaranao izany.
3004 ( 31/05/2006 08:09)
Miarahaba anao, Hasinando

Misaotra anao.

Mirary soa e,

Fredy JAOFERA
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 21/08/2005 23:21
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146