AOKA ISIKA (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AOKA ISIKAAoka isika hikatsaka
izay ilain'ny firenena
fa mbola milatsaka
ny ariary ka mivena.
Aoka isika hifantoka
an'ireo manan-danja
fa anio dia miantoka,
na dia eny an-kianja.
Aoka isika hifofotra
an'ireo ovana tokoa
fa dia mahasosotra
ny krizy entiny moa.
Aoka isika hihevitra
an'ireo manahirana
fa ela no nandefitra
ka vahao hifikirana.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Tanindrazana - Fiaraha-monina - Fananarana - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy
