AVY AMIN'NY FANAINTAINANA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AVY AMIN'NY FANAINTAINANA





Avy amin'ny fanaintainana
no lesona ben'ny fiainana
hahalalam-pahombiazana
hampijoro ery ho mazana.




Avy amin'ny fanaintainana
no tsy ahitam-pahalainana
fa ho kiry ny hiotra hatrany
ho soa ny fiainana an-tany.




Avy amin'ny fanaintainana
no hisinda ireo fitarainana
fa ny ezaka no hisasarana
hahatongavam-pivoarana.




Avy amin'ny fanaintainana
no hanovozam-pisainana
lavitry ny fahasahiranana,
hamoa ny tena fiadanana.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
638 1
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Fredy Jaofera
Inséré par : 3004
Date : 16/02/2023 13:02
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0121