You are here: home > Vetso

DISO - Fredy Jaofera

Azo vakiana?


DISO




Diso ny foko
tsy nanan-tsiny
nanankina tany
ny zava-drehetra,
ka namonoako
ny anaranao iny
ho very aok’izany
fa nampanjoretra.




Diso ny saiko
tsy mba nanahy
nametraka tany
ny fatokisana,
ka zary lanjaiko
fa tena nahasahy,
‘zao mba tomany
tsy nanofisana !…




Diso ny feoko
tratran’ny fitaka
nanangana tany
‘zay tokim-pitia,
ka ny toreoko
tena nangitaka,
indro eny ihany,
na toa nanavia.





Fredy JAOFERA














Sokajy : Alahelo, manokana