ERITRERETIKO DIA HADINO (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ERITRERETIKO DIA HADINO




Eritreretiko dia hadino
izay nanahirana ahy fahiny
fa mbola tsy mampino,
hoy aho ange ankehitriny.




Eritreretiko dia hadino
ny ratra maro notatazana,
ry alina !...Ampangino
itony sento, na tsy tazana.




Eritreretiko dia hadino
ny sedra lava nampahory,
ry tantara !...Vimbino
ny anio hampitondra tory.




Eritreretiko dia hadino
ilay fitia nokasaina hijoro,
ry nivadika !...Banjino
ny nofinofy maro fa hikoro.




Fredy JAOFERA.
--------
Lien:
672 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0117