FIRENENA INONA ? (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FIRENENA INONA ?





Firenena inona no entina
raha ny vita feno pentina
sarotra aminy hazavaina
rehefa ratsy no lanjaina ?




Firenena inona no entina
raha feno vola mitentina
tapitrisa maro manodoka
no toa tsy hita popoka ?




Firenena inona no entina
raha tsy miasa fa lentina
ny fandrosoana nirariana
hahay hitondra fitahiana ?




Firenena inona no entina
iarahana amin'ny rentina
raha ny vahoaka, topazo
mangozohozo misy tazo ?




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
411 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0122