Ampidiro aloha ny tenimiafina
IRAY ISIKA FA TSY ROA (Fredy Jaofera)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IRAY ISIKA FA TSY ROA'Reny fifaliana maromaro,
'reny ranomaso nifangaro,
nahatonga ahy teto an-tany
mba ho anao irery ihany.
'Reny fotoana nifanesy
nampisento, nampandresy,
no nilaza fa any am-para,
mbola ianao no mba anjara.
Ka na eo ny elanelana
tsaroako tsy azo ferana
dia iray isika fa tsy roa :
iray fanahy !...Iray fo.
Ny Lasa foana no mimalo,
ny ora foana no mandalo
fa raha mbola hoe : sariaka,
tsy hitsonika ny ISIKA.
Ny tany foana no mihodina,
ampiarahako amin'ny sodina
fa ny ISIKA dia mbola IRAY
ho doria !...Mandrakizay !...
Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Fans:
maizina max
