LASA IANAO (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LASA IANAO




Lasa ianao
ka ny fitiavako,
indro mihavao
eto, rahavako.



Lasa ianao
ka ny mianjady,
alahelo be izao
tsy mba fitady.



Lasa ianao
ka singany irery
tsy mahita atao,
tonga olom-bery.



Lasa ianao
ka lasa ny kalo
tiako tao ho ao
rehefa nandalo.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
521 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0124