MANDROSO (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANDROSO





Mandroso ny firenena
fa mandroso any an-kady
raha very itony harena
sy izao no mba mianjady.




Mandroso ny firenena
fa mandroso any aoriana
raha indro mihenahena
sy mahazo izay tsy tiana.



Mandroso ny firenena
fa mandroso miha-mijaly
raha ny mafy no mitrena
efa ho hatramin'ny omaly.



Mandroso ny firenena
fa mandroso miha-mahantra
raha indro ihany fa nomena
ny esoeso tsy hita fatra !




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
1151 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 26/02/2011 21:40
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0114