You are here: home > Vetso

MILA FANTARIKO - Fredy Jaofera

Azo vakiana?








MILA FANTARIKO





Mila fantariko
ny mahazo anao
fa lasa rariko
ka avia tantarao.




Mila fantariko
ny zava-mamely
ka amboariko
raha ilaina kely.




Mila fantariko
ny fo mitomany
fa dia ohariko
amiko eto ihany.




Mila fantariko
ny sedra mahory
matoa loariko
fa tsy misy tory.





Fredy JAOFERA