MPANJAKA NO TERAKA (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MPANJAKA NO TERAKAMpanjaka no teraka,
ry mponina an-tany,
ka saotra tanteraka
no alefa eto ihany.
Mpanjaka no teraka
ka andao hankalaza ;
aoka tsy ho reraka
fa Tompo ny zaza.
Mpanjaka no teraka
ka voavonjy, zareo,
ny andro dia heraka
anjely teo no ho eo.
Mpanjaka no teraka
ka asandrato ny hira
tsy mahay miveraka,
na ny any an-dakira.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana - Fifaliana - Fiderana - Fiaraha-monina - fiainana - Fety - fanantenana - Fahatsiarovana - Eritreritra mandalo - Aingam-panahy