MPIANDRY OMBY VOLAVITA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MPIANDRY OMBY VOLAVITA




Mpiandry omby volavita
tsy tompony fa mpamerin-doha ;
misaotra tamin'izay vita
no atolorra anareo eto aloha !



Mpiandry omby volavita,
tsy mitombina loatra ny saina,
na dia tokony hahatafita
raha tsy maintsy tantaraina.



Mpiandry omby volavita,
very fotoana be fandaingana,
nisasatra ihany vao nita
fa natao izay tsy hahatamana.



Mpiandry omby volavita,
nanantena handray fitoniana
kanefa eso no niritarita
niteraka ho azy ny fanaviana.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
369 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0116