NOELY AVY AMIN'NY FO (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NOELY AVY AMIN'NY FO





Noely avy amin'ny fo,
mamiratra hasambarana ;
noely mahay mamoha
haravoana azo ianarana.




Noely avy amin'ny fo,
mampiray fianakaviana ;
noely mety ka manoa
'reo lazaina ho fitoniana.




Noely avy amin'ny fo,
mahafinaritra aok'izany ;
noely feno foana voa
hipoirana hoby hatrany.




Noely avy amin'ny fo,
tsy ilaozam-pahagagana ;
noely masina eto koa
ka tsaroana mahatamana.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1062 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0134