You are here: home > Vetso

NY HAZOM-PANGINANA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?


NY HAZOM-PANGINANA





Ny hazom-panginana
mamelana hafaliana,
lavi-pahamaizinana,
manorim-pitoniana.




Ny hazom-panginana,
mamoa fahendrena,
mivatsy filaminana
mirako-pamonjena.




Ny hazom-panginana,
manam-piadanana
misy fanambinana
tsy hay tombanana.




Ny hazom-panginana,
toa be tsiambararoa
sarotra anombinana
ka mampisento koa.




Fredy JAOFERA

Hametraka hevitra

Midira aloha