You are here: home > Vetso

NY RAY - Fredy Jaofera

Azo vakiana?

NY RAY





Ny ray no nahitana masoandro
ka mbola hajaina isan'andro,
omena ny fitiavana marina :
tena izy fa tsy namboarina.



Ny ray no nampianatra lava
ny tokony ho hay lalandava,
ny ezaka ho tonga mba olona,
na inona no ady sy tolona !



Ny ray no nikiry aok'izany
hahasoa foana eto an-tany,
hahavanona ny sombiniaina
raha indro fa lasa maraina.



Ny ray no natokana ho andry
ho namana mba hahatafandry,
ho harena tsy azo hadinoina,
ambara ho tsy azo soloina !






Fredy JAOFERA