NY TOMPO JESOA - Fredy Jaofera
Azo vakiana?
NY TOMPO JESOA
Ny Tompo no harenako
mbola tobaka hatsarana
raha toa ka nanorenako
ny finoana izay mitana.
Ny Tompo no bateriko
azo antoka avy hatrany
raha vao osa ny heriko
sy ankahalaina izany !
Ny Tompo no fitadiko
rehefa kivy lalandava,
rehefa mafy ny adiko
hipoiran'ny Mazava.
Ny Tompo no fiainako
tamin'ny Avo indrindra
nambara ho fitarainako
rehefa tsy eo ny rindra.
Fredy JAOFERA
Sokajy :
Aingam-panahy, Eritreritra mandalo, fananarana, fanantenana, Fety, fiainana, Fiaraha-monina, Fiderana, Fifaliana, Fitiavana, rindra, tantara, tsara, Vavaka
Mombamomba
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 23/12/2021
Mpamangy : 324
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
HIPOITRA NY KINTANASAINA AMBANY
HABOBO
MIREMBY
VOLA NY FOTOANA
ANDOSIRO
NY POLITIKAN'NY TROSA
NY TENY MISY FANAHY
NY OTA
NY TORITENY