RAHA TSY NISY (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA TSY NISY





Raha tsy nisy moa ianao
dia tsy nisy ny fitiavako
fa ho rediredy izay natao
sy tsy nitsiky 'tony tavako.



Raha tsy nisy moa ianao,
tsy nihiratra ny androko,
ny hakiviana ho tsy tsaho
sy hafa ny masoandroko.



Raha tsy nisy moa ianao,
tsy tonga izay fiadanana
fa ho hetaheta mora lao
ny tigetra efa notanana !



Raha tsy nisy moa ianao,
ny fo ravo ho nofy ihany,
ny ahiahy tsy ho nandao,
nisy foana ireo tomany !





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
874 0
Commentaires
Zozoro ( 01/06/2013 14:30)
Raha tsy nisy moa ianao
Dia sahiko nampirimina
any an-dakira any ilay tononkirako iny.

Raha tsy nisy moa ianao
Tsy naleoko ve nangina
Toa moana sy marenina itadidiko ny fahiny !
3004 ( 01/06/2013 17:23)
Elaela izany !...Misaotra anao, Zozoro !
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Fredy Jaofera
Inséré par : 3004
Date : 31/05/2013 16:16
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0172