REHEFA NY ALAHELO (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
REHEFA NY ALAHELO




Rehefa ny alahelo
no betsaka ao am-po,
mampirotsa-delo
ny tomany izay manjo.



Rehefa ny alahelo
no mitombo lavareny
dia kely ny isa telo
ilazana sento ombieny.



Rehefa ny alahelo
no mameno ery ny ora
dia miantso avelo
hihaodihaody eto mora.



Rehefa ny alahelo
no mitoetra tsy te hiala,
itsoahy fa manelo,
hoy aho, tsy misalasala.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
207 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 15/08/2023 06:05
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156