You are here: home > Vetso

Sao - Fredy Jaofera

Azo vakiana?


SAO





Ahoana no anekeny
ny lainga tsy nanarina ?
Ahoana no amboleny
ny zavatra tsy marina ?




Ahoana no tanisany
ny tory nampangitaka ?
Ahoana no itokisany
ny vola be mpamitaka ?




Ahoana no ifaharany
ny toky tsy tanteraka ?
Ahoana no tsisy farany
ny ady nampandreraka ?




Sao, lahy, dia hafetsena
mbola rako-pamonjena ;
sao, lahy, dia hafaliana
'zay indramina mangina ;
sao, lahy, dia hasambarana
mbola mila fanamboarana ;
sao, lahy, dia tombon-tsoa
ireharehana nefa moa...




Fredy JAOFERA




Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Fredy Jaofera


Nampiditra : 3004
Daty : 03/08/2019
Mpamangy : 84
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

ANTARANOANA
TORO
RIVO-PIOVANA
NOFY RARANA
TOY NY MAHAZATRA
TSANTA
VOARARA
NY BOKY
EKENA
TAO