SATRIA LASA IANAO (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SATRIA LASA IANAO




Satria lasa ianao
dia aleoko aloha mangina
fa ao anatiko ao,
tongavan'alahelo tsy nirina.



Satria lasa ianao
dia aleoko aloha samirery
fa mifamahofaho
ny lasantsika izay manery.



Satria lasa ianao
dia aleoko aloha mandinika
fa tsy mba kilalao
ny ngeza vita na ny madinika.



Satria lasa ianao
dia aleoko aloha maka aina
eto ihany fa sao
ho fahagagana ny maraina.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
443 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0111