TSETSATSETSA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSETSATSETSA





Rehefa izaho no manan-dreny
tsy handratra ahy lavareny
ka manaiky hiombom-po
rehefa mafy ny manjo ;
manaiky hiray saina
rehefa voa sy maina ;
manaiky hiray fanahy
rehefa tototra ahiahy,
dia inoako ho hasambarana
no ho hita sy hisantarana.




Rehefa izaho no manan-dreny
tsy handentika ahy ombieny,
ka vonona hiara-dia
sy hamboraka fitia ;
vonona hiray tigetra
hamotika ny tsetra ;
vonona hiray safidy
ho harena sarobidy,
dia inoako ho fahasoavana
no hipoitra tomandavana.




Rehefa izaho no manan-dreny
tsy hanakana ahy hankeny...
Ka mahazo ny hakiviako
sy ny ora nijaliako ;
mahazo ny hetahetako
sy ny taona niaretako ;
mahalala ny alaheloko
sy izay tsiambarateloko,
dia inoako ho fandresena
no hirotsaka sy handena.






Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
1197 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 16/03/2007 00:43
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147