TSY ATAOKO SAKANA (2) (Fredy Jaofera)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY ATAOKO SAKANATsy ataoko sakana
ny aloka mibahana
na dia very vakana
fa tojo fisarahana.
Tsy ataoko sakana
ny eritreritra ho any
na dia toa miakana
kely fotsiny ihany !
Tsy ataoko sakana
ny hihaona vetivety,
na tsy misy lakana
hitondra raha mety.
Tsy ataoko sakana
rehefa soa ho anao,
na dia ireo kankana
tsy miala mankalao.
Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie :
Fisarahana - Embona - Ahy - Fahatsiarovana - Fananarana - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
Commentaires
Mara30
(
23/05/2026 04:57)
Fiarahamonina
