IZA MOA IZY INY ? (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZA MOA IZY INY ?




Tsy fantatro avy akory,
na ny anaranao na ny momba anao
fa nampidoboka ny foko :
ny fijerinao malefaka,
ny bikanao tsy ratsy,
ny tsikinao niserana.



Tsy fantatro avy akory
na ny adiresy na ny zavatra rehetra
fa mibahana ato an-tsaiko
ny hoe : « Iza moa izy iny ? »
« Ary moa ve tsapany
izay zavatra mba tsapako ? »



Tsy fantatro avy akory,
na efa manan-tompo na mbola mitady
ka natao hiara-dia
hifono ilay safidy,
hizoran'ito lahatra
avy amin'ilay Nahary.




Fredy JAOFERA
ANTANANARIVO, Sabotsy 23 Aogositra 1986
--------
Lien:
752 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Fredy Jaofera
Inséré par : 3004
Date : 11/08/2016 09:29
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149