TSY ILAIKO INTSONY (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY ILAIKO INTSONY





Tsy ilaiko intsony
ny hisisika ho any
fa mamin'ny fony
izaho very akany.




Tsy ilaiko intsony
ny hitady ny sainy
fa namely vavony
rehefa nolatsainy.




Tsy ilaiko intsony
ny hampiray fitia
fa tsy nampitony
ka saika nikodia.




Tsy ilaiko intsony
ny hitoky azy lava
fa namotika nony
nisy soa nanazava.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
372 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 12/06/2022 21:47
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0171