You are here: home > Vetso

TSY VITAN'NY VAVA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?




TSY VITAN'NY VAVA





Tsy vitan’ny vava
ny zava-drehetra
fa voaporofo lava
rehefa mba toetra.




Tsy vitan’ny vava
‘zay teny nomena
fa vitaina mazava
rehefa ho nekena.




Tsy vitan’ny vava
ny tokim-pitiavana
fa adera tsy ho rava
rehefa mba goavana.




Tsy vitan’ny vava
ny hoe : mahavita
fa aseho lalandava
tena mba ho hita !




Fredy JAOFERA

Hametraka hevitra

Midira aloha