INY ZANAKO INY (Fy Tia)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iny zanako inyIlay tsy manantsiny
Nefa tonga teto an-tany
Narahina tomany
Fa tsy hitany, tsy hainy
...nanjavona ny rainy.
Ny ranomaso latsaka
Na dia nipatrapatraka
Tsy nisy mba namafa
afa-tsy olon-kafa:
ny mpitsabo, mpampivelona
no 'ndreo niselontselona
nandray, nikarakara
F'ilay tsi-valahara
Nitsoaka ny adidiny
...izay no safidiny
Dia nandroso teo ny taona
Fa toa i Neny foana
No tazany isan'andro
Manasa sy mampandro
Mandrotsy safosafo
sy manome sakafo
F'i Dada aiza izao???
Variana milalao!!!
Entin'ny hevi-disony
ka tsy misaina ny ampitsony.
Indray andro any
Ho lehibe ihany
Io zanako io
K'izao no tadidio:
Hiezaka izy hitsara,
zay navalon'ny tantara,
Koa saino dieny izao
R'ilay lasana nandao
fa manody ny natao
Tsy ho zakanao lanjaina
NY ALAHELON-TSOMBINAINA...
FY TIA
--------
Rohy:
Sokajy :
Fianakaviana