SARY FY (selfy) (Fy Tia)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SARY FY (selfy)

Eto aho...maka sary antsaina
Irony nifonofy niainantsika rehefa mba tafaraka.
Malaina ery hisaraka
Fa mamy sady fy, mianoka fitia anaty fahasambarana
Toa azoko an-tsaina isika roa miaina
Toy ny tsy eto an-tany fa any an-danitra any no ivalaparan'
Ireto fontsika roa, zatra mifandray
...mitambatra ho iray.

Eto aho... maka sary antsaina
Ny fiainako ho avy raha sanatria ho vita
Ilay tantarantsika
noheveriko tsy hisy
Zay hiafarany...kanefa zao indrisy
Tsy maintsy ho avy izany.
Dia azoko an-tsaina ilay ratram-poko
Mianoka toloko mitady hifaharana
Fa nilaozan'olon-tiana...
rava hasambarana.

Eto aho...maka sary antsaina
Lay hasambaranao nahita vaovao.
Dia nianoka fitia tsy misy vazivazy
Mitambatra ho iray ny fonao sy ny azy, ka sambatra erĂ½.
Dia azoko an-tsaina ilay fiadanampoko
Mitazana anareo tena mifakatia.
Fa ny hasambaranao no zary fifaliako
Satria tiako ianao ry tiako.


Androany faha- 25 oktobra 2020
Tamin'ny 5 ora hariva
Fy tia
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
633 1
Mpakafy: Ndaox
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fy Tia
Nampiditra : Fytia1972
Daty : 25/10/2020 16:37
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014