Satria tiany ianao... (Fy Tia)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza maika hitsara
sy hanankiana hoe
na inona tantara
sy lalana naleha

Dia mbola diso ihany
fa toa anao ihany
nitady hanodinana
ny fiainako sahirana
fa tsy nanana talenta
hamonona hetaheta
dia toaka no sotroina

ary koa hanadinoana
ny sisa rehetra
tsy mety ho takatrao
voafetra ny fijery
raha tsy nijaly ianao

tsy ny fahoriana
mangeja ahy irery
fa ny ampahany mangiana
mianjady amin'ny tiana
tsy foiny ho fantatrao

satria tiany ianao...
--------
Rohy:
1054 2
Mpakafy: Arimalala - helitiana
Hevitra mandeha
mayara ( 18/01/2005 08:55)
tsara ilay tonokalo fa sarotra takarina,olona lalin-tsaina vao mahazo azy, ianao koa lalin-tsaina, tohizo fa tsara.
helitiana ( 19/02/2013 20:56)
"Voafetra ny fijery raha tsy nijaly ianao",mampahatsiahy ahy ny fitenin'i dadako manao hoe: Tsy tsapan'izay tsy niharany.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fy Tia
Nampiditra : ainga
Daty : 17/01/2005 13:15
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141