You are here: home > Vetso

CORONA VIRUS / COVID-19 - Gauss

Azo vakiana?

CORONA VIRUS / COVID-19

areti.mandoza namono olo.maro
saro.pehezina raha toa tsy de mailo
manery ny olona tsy iala ao an.trano
manidy fiangonana sy ny ara.tsôsialy

mampalaelo ny horohoron'ny rehetra
rehefa ny virus no miakatra an.tsehatra
mihidy ny tsena ,mihidy ny trano
laharam.pamehana ny aina @ maro

nametraka toro.marika ny filoha
tsy azo atao ny mandeha tsiroaroa
isa.maraina ihany ny tsena no misy
ilana tandremana ny 1mètre atsika

ka mba meteza reh ry gasy malala
hiezaka hiaro sy mba hanatsara
ny famafisana ady @ aretina
tsy misangy izy fa ilao famehezana

tsarovy fa ny sinoa efa voa
@ zao fotoana efa somary soa
satria nanaja sy nifehy ny teny
zay efa nomen'ny filoham.pireneny

                              by GAUSS
                             25/03/2020

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Gauss


Nampiditra : miranto068
Daty : 25/03/2020
Mpamangy : 207
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

HANATRA
FITIA