manahirana ny miaina (Gérard RANAIVOZANANY)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANAHIRANA NY MIAINAAsa raha diso ny fiheritreretako
Mandinika izato lalanan’ny fiainana
Ka andeha ary henoy f’ity ny hetahetako
Diniho tsara dia hoento am-pisainana
Fa nahoana ireo olona nahavita ratsy ?
Sy namohafady tsy fanao ianao
No mateza fiaina, ary toa be vatsy ?
Sa izany no lalàn’izao fiainana izao ?
Nefa misy ireo manitra mamerovero
Toy ny tantely izay manana mamy
Nafoy vetivety toa alaina sy atero
Lasa natelin’ny fasana any
Jereo anie ireo olo-nigadra imbetsaka e!
Fa miriharia sy bolangina tsara
Toa lavitra azy ny enta-mavesatra
Ary ny fahoriana, tsy ao anatin’ny anjara
Diniho kosa ireo mpanao ny soa
Manampy raha misy mahazo ny sasany
Vetivety dia maty ary lavo tokoa
Tsy navela akory mba hamita ny asany
Raha toa ka omena safidy malalaka ?
Ka hanontaniana ary izay hevitrao
Ny fasana ve sa hihaina maharita
Ny tsara , sa ratsy ;valio ka lazao
Hisafidy ny tsara, ianao tsy hateza
Dia haka ny ratsy satria te hihaina
Sarotra ihany ka dia mahereza
Manaova ny soa , fa aza malaina
Gérard RANAIVOZANANY
--------
Rohy:
Sokajy :
Fiainana