You are here: home > Vetso

NAHOANA KAY - Gérard RANAIVOZANANY

Azo vakiana?

              NAHOANA KAY ?

Nahoana kay no lasa niova
ireo fomba nahazatra
fifankatiavana izay lova
zary lasa namparatra

sa rehefa lasa lavitra
ka tafita sy mahay
dia hadino ireo nanavotra
nilaozana niolomay

nahoana koa no lasa miavona
rehefa injay ka mifanena
zary tany feno zavona
nefa samy gasy tena

misy aza manadino
ilay fiteny nentin-drazana
toa lasa tsy mampino
fa hoe malagasy anarana

ao ireo izay sahy milaza
manambara tsotra izao
fa ny gasy tsy sahaza
vazaha hono ny anao

nefa dia ny volo-kodiny
tsy manafina porofo
ny fiteny , sy fitafiny
toa tanalahy niova loko

asanao ramalagasy
aty ampitan-dranomasina
aza ovaina re ny lasy
mba mifanomeza hasina !

                    Gérard RANAIVOZANANY

Sokajy : Fiainana

Hevitra mandeha

lika (23/08/2006 12:13:41)

ny mahagaga dia ny ankamaroan'ny malagasy tonga aty an-dafy dia tena miavonavona tokoa indrindra fa ireo manambady vazaha !!!!

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Gérard RANAIVOZANANY

Nampiditra : lika
Daty : 15/08/2006
Mpamangy : 1020
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

manahirana ny miaina
ra fifidianana
SAMBATRA HONO