Ho anao irery ihany (gervais RANAIVOSON)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha ny fijery no malemy, manambara fifaliana
Raha ny vava no miteny, mifono hafatra mangina
...Raha ny foko no manery, hipololotra tononkira
...Kalokalo aman-tantely, spesialy ho an'ny tiana.(N....)

Ny diamondra lafo vidy, tsy ananam-piry eto an-tany
Ny voasary koa tena mamy nefa indrisy mora lany.
Fa ny foko izay mitia tsy atakalo tsy azo asera,
Dia ho anao doria doria mandra-maty, afoiko omena.

Satria ianao ilay zaridaina namboleko raozy fotsy
Loharano fototr'aina, hafalina rotsirotsy
Toy ny vary am-pamilaona mampifaly ny tantsaha
Toy ny oran-dohataona mamelombelona fanaha.

Satria ianao no kanisera, homa-miadana ny foko.
Dia ilay foko volamena, tsy nisy tasy tsy voaloto
Fa taminao no nianjera sy nitampify nitoloko
Nijalijaly nahonena, rotidrotika voatoto.

....Dia ianao irery ihany, tsy ankiroa fa finidy
Dia ny fonao sarobidy, tsy voasanda tsy voavidy
No nanolorako izany mba tsy ho very hotadidy
Ho lalim-paka hatrany hatrany, ho mamy foana fa tsy angidy.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
3588 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093