You are here: home > Vetso

NOSY MAMIKO - gervais RANAIVOSON

Azo vakiana?

Mankamamy anao daholo
Ny vahoaka manontolo,
Na ny kely na lehibe
Sy ireo efa nandre,
Fa misy ianao ry Gasikara
Tanindrazanay malala.

Fony kely aho no nahalala
Fa ianao dia tsy an-tsahala,
Na amin'ny endrika na bika
Tsy mitaha ny any am_pita,
Ka mampirehareha anay
Amin'ny saina fo fanahy.

Tsy aiko intsony 'zay lazaina
Ho an'ireo tsy tonga saina,
Tsy ho tia anao ry Nosy
Ka manao izay hahafotsy,
Ny "bois de rose" ananao
Ho loza ho azy hitatao.

Sokajy : Tanindrazana

Hevitra mandeha

Gervoocs (11/12/2014 09:17:00)

Mba saino kely io ry tia tanindrazana