You are here: home > Vetso

Fitia Tsy Anjara - Zöky Eric

Azo vakiana?

any ianao ry kalakely
izay mamy toin'ny tantely
kanefa nandao akitsirano
ka nanjary lasa angano

izaho nanomboka nankafia
nakatsiron'ny tena fitia
indrisy fa fa lasa voarara
sa izany no atao hoe tsy anjara

indrisy mantsy ry fiainana
tsy misy izay mba hitarainana
izaho efa nanantena anao
hay izy itia fitia kilalao

tsy mampaninona anefa izany
fa mbola misy tia ahy any hoany
tsy manadino ahy mandrakizay
hamafa ny ranomasoko hatrizay

tsy homeko tsiny ianao
satria ny fitia tsy terena
ka esory le fitia kilalao
mandehana ny hafa jerena

angamba efa izay no anjara
fa ny saiko no otran'ny adala
nifikitra tamin'ilay fitia voarara
ilay fitia tsy mba manantsahala

soa ihany fa teo ilay olona soa
tsy nanary ahy tamin'ny sarotra
deraina ny anaranao jesoa
fa ianao no tena mpanavotra