ELANELAN-TANY (Zoky Eric)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy aiko fa manoja, ato ampoko ato.
Ilay fitiavanao, manosika tsy miato.
Manery ahy hijery, ny tany misy anao.
Manosik'ahy hiventso, kalo vaovao.

Mibahana ato antsaiko, ilay fihetsikao.
Manery ahy mangina, te ahitanao.
Ra teo angamba inao, feno hafaliana
Nefa ny elanelan-tany, no lasa fijaliana.

Lavitr'ahy ianao, tsy mba tazan'ny masoko.
Raha ny teto antany, zao angaha ny ankasoko.
Saingy manantena, na dia lavitr'aza.
Fa haveriko aminao, ilay teny voalaza

Tsy afaka ato antsaiko, tsy hadino velively.
Ilay bikam-batanao, mafatifaty toa anjely.
Na dia lavitr'aza, ity foko manirery.
Ny salovanao, tsy hadino tsy ho very.

Asa ianao any, raha mba mahatsiaro ahy.
Mba lasalasa saina, manainga ny fanahy.
Hoe any izay ianao, ilay silakin'ny foko.
Dia valiako tsotra,avy aty fa ho pofoiko.

Na lavitra aza anefa,ny elanelan-tany.
Ny saiko aty mande, manjohy anao hatrany,
Tsy anadino ireo voady, sy ireo teny mamy.
Sy ireo sangisangintsika,ilay tsy mety lany.

Androany aho hiventso, haminavina anao.
Fa leon'ny alahelo, hakivina lava izao.
Ho foanako ny saiko, ka haviliko makany.
F'ilay fitiavantsika, tsy voasarakin'ny tany.

Raha ny hanadino anao, angamba tsy hisy.
Fa ny elanelan-tany, izay alo ny zava-misy.
Kanefa tsy hataoko, hampiova ny fitiavako.
Ny alahelo kely. hita soritra amin'ny tavako.

Ny fitiavana malala, tsy hijerena halavirana.
Ny voady re hajaina, diamiezaha ho miramirana
Tsy manadino anao, ny foko tena tia.
Raha sitrakin'i Ray, hiaradia ho doria.


page fb: H_Eric
--------
Rohy:
2085 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zoky Eric
Nampiditra : shcwarzeneric
Daty : 04/01/2018 04:51
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098