LOKOM-PITIA - Zöky Eric
Azo vakiana?
ny loko mena
maneo fifanekena
manintona ny saina
sy izay rehetra lazaina
fa ny loko mena
dia loko tsy azo ekena
fa mora mihongotra ny vahatra
feno lainga tsara lahatra
ny loko mena
manambara fahendrena
fa ambava fotsiny ihany
mora rava haviatrany
ny loko mavo
manambara hatsarana
ka tsy mba ho lavo
sady tsara fihafarana
ny mavo no loko tsara
maneo fitiavana tsy miova
fa manaja ny anjara
ary ko mitondra lova
ny loko mavo,fifaliana
tsy voasinton'ny zavadratsy
manambara fitsitsiana
ka tsy mba ho lany vatsy
ny mavo,fandeferana
ny mena,fahatezerana
anao ny safidy
na ny mamy, na mangidy
Sokajy :
Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : Zöky Eric

Nampiditra : Shcwarzeneric
Daty : 06/04/2016
Mpamangy : 1225
Mankafy : 3
Tononkalo hafa
NIFOHA INDRAYTSINDROM-PITIA
HAMONO TENA AHO 2
TSY HAY VONOINA
RAHA MBA IZAHO
ZANAKY NY ALINA
SIPA TAMBANIVOLO
RERAKA NY MITIA
ILAY MPANENDAKA
HAMONO TENA AHO