MENARANA (Zoky Eric)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vao nahita anao aho, dia niteny hoe mifalia.
Raha nahita anao, nigogogo nitomany.
Voasarikao ny foko, ka nanolotra fitia.
nilazako ianao, tiako indrindra eto antany.

Indrisy anefa ,fa efa nisy tao alohako.
Izay nampirafy anao, hita maso miharihary.
Nalahelo anao aho,ka avy dia nitsofohako.
Nefa indrisy fa, lasa fery namparary.

Tena tiako ianao, eny tena tiako.
Ianao ko nilaza,fa hoe mba tena tia.
Tsy nisalasala aho,fa avy dia nitokiako.
Napetraka ny voady,fa hiaraka ho doria.

Taty ahoriana anefa, niova ny tantara.
Fa nanambitamby hono,ilay teo aloha.
Ka indro ianao nilaza, ny antsika tsy anjara.
Ny fitiavanao mantsy izy no namoha.

Fitiavana madio ,tsy hain'iza ho rarana.
No mba hany faniriko, hitiavako anao.
Nefa nofy ihany,fa ianao kay menarana.
Ilay fitiavako madio, nataonao kilalao.

Eny niala maina aho, satria za tafara.
Ny sisa mba natao ,nametraka tsodrano.
Mazahoa dimby, mahazahoa fara.
Mirary soa anao, maharena tokatrano.
--------
Rohy:
1045 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zoky Eric
Nampiditra : Shcwarzeneric
Daty : 15/11/2018 07:29
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144