Valim~babena (Zoky Eric)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy tana intsony ianao
fa nahita ny tinao teny
lasa ianao handao
ireto ray sy reny

rah sendra mahatsiro anay
dia mandefasa fisainana lalina
hoe any ry zareo zay
ilay nitaiza ah andro amanalina

rah sendra mba manimanina
dia mandalova matetika
hitondrao vola na hanikanina
amin'izay izahay faly sy Tretrika

ry zanako malala
aza manadino dada sy neny
fa efa irahamahalala
fa izy ireo no nampianatra anao niteny

ka aza hadino ny valim~babena
aza hadino ny soa natao
fa ianao zanaka no mba harena
nanamboarany ireo kilalao
--------
Rohy:
1109 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zoky Eric
Nampiditra : Shcwarzeneric
Daty : 09/05/2016 18:33
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101