You are here: home > Vetso

VONIN-DRAOZY - Zöky Eric

Azo vakiana?

Vonin-draozy   mavomavo
ny  fiainako   eto   antany
satria voafingana ka lavo
niakarapoka amin'ny tany

Vonin-draozy        menamena
ka  mitombo     hery     foana
tsy hosena     na    ho     lena
mandrapahatapitrin'ny taona

vonin-draozy fotsy mavana
manambara fahasambarana
mampitsiry    ny     fitiavana
mampirindra   ny     fiainana

vonin-draozy   mavokely
no mba vonin-kazo tiako
mamy toin'ny      tantely
ka manome ny   fifaliako

izato fiainako  mangina
mampirotsaka   tomany
mampisentosento lalina
ny fiainako eto  antany