FITIAVAN-TANINDRAZANA (Hary MDK)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry tanindrazako MalalaRy tany naterako
Ry hilevenako
Tiako foana ianao na dia tsy mandroso
Ny any tena tafin-damba
Fa ny any hafa tsy homeny
Ry tanoro voleo ny fitiavan-tandrizana
Ndao isika hijory ,hanohy
Hiara-manana I Gasikara
Fa tsy an’I Koto na Rasoa
Mila antsika mifoha
Mba manana hambom-po
Aza mivoavoa fotsiny
Fa tonga dia mipetaka
Aza matahotra ny tsindry mahazo
Fa ilay fitiavan-tanindrazana no hasandrato
Kikakika sy toloko
Antsoantso tsy hifandrenesana
Vahoaka noana sy efa kivy
No mameno ilay firenena
Misy mari-zotra mazava
Ny mahantra sy manana
Ao reo tsy Mahita harapaka
Ao reo tena tampi-panana
Vao mifoha dia adin-tsaina
Vao mifoha dia hafaliana
Andeha hatory mandry fotsy
Andeha hatory manisa vola
Samy hafa tokoa
Tsy misy ny fifanohanana
Mihinana hanim-pitoloha
Ny sasany tsy Mahita hanin-kohanina
--------
Rohy:
Sokajy :
Tanindrazana
