Embona (Hary MDK)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Potraka ny ranomasoko noho ny alahelo anao
Ny adin-tsaina mitambesatra satria izaho miady irery
Fa raha ny sitrapoko dia ho any izao dia izao
Mantsy mahagaga ny fitiavantsika toa mistery

Satriko isan’ora dia hahareha ny feonao
Mba tsy hahatsapako an’izany fihetsehampoko
Nefa moa mba inona no azoko atao
Afa-tsy ny manembona, mitomany, mitoloko

Miverina ato an-tsaiko ilay oroka nafana
Izay nataontsika tamin’ianao taty
Aza manahy nefa fa tsy avelako hamanala
Fa ho koloiko sy hajaiko ilay fitia
--------
Rohy:
Sokajy : Fahatsiarovana
147 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Hary MDK
Nampiditra : 2004
Daty : 04/11/2025 08:24
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0151