ZANDRIKO (Hary MDK)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Zandry a !mitrakahaDia fafao ny ranomaso
Zandry a, mifohaza
Aza be torimaso
Aza miferinaina amin'ireo mpanaratsy
Fa ny fahavalo mitazana an'ialahy ho lavo
Mikipy indray mandeha dia hahirato
Banjino iny lalana iny
Jereo tsara fa be vatovato
Mikasa hamingana handavo
Aza miverindalana
Fa tohizo tsy hakihato
Aza miraharaha ireo feo manakohako
Mila hanempotra aman'aina
Tafio ny hery ho ampinga enti-miady
Fa ny tanjon'ialahy tratrarina
Fa ireo efa miandry hitora-bato
Raha sendra solafaka iray monja
Zandry a! mihofana ho piady
Tsy mora mitanondrika ,na milefoka
Fa miady mandramaty.
--------
Rohy:
Sokajy :
Fiainana
