MISERANA IHANY (harylovah)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rehefa mihira manako malaky
Mamakivaky tehezan-kavoana
'Reo vara-masiakan'ny lanitra vaky
Ngaly maranitra ny eo anoloana

Atambolimbolin'ny rivo-mahery
manonjanonja ny moron-kamory
Dia manganohano ny maso mijery
Dia mitebiteby tsy mahita tory

Fa hay ao ambadik'irony tafiotra
Misy maraina mamiratra loko?
Fa hay irony sedra malaky firiotra?
Miserana koa raha ny senton'ny foko!

O! Haiko sedraina izay ratra mandalo
Na rivo-masiaka na varatra maina
Na ora-matevina be fahavalo
Tsy maintsy hamelana izay nantenaina...

HARYLOVAH[100413]
--------
Rohy:
1221 0
Hevitra mandeha
harylovah ( 18/05/2013 15:56)
Na dia maro aza ny mety hahakivy, dia miserana ihany izany...Koa mahereza hatrany !
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : harylovah
Nampiditra : harylovah
Daty : 18/05/2013 15:25
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143