Ilay Reniko tsy foiko. - Hasina ANDRIANARIVO
Azo vakiana?
Ilay Reniko tsy foiko.
Herintaona lasa izay
No nandaozany anay,
Mitamberina ireo tsy hay
Izay niarahana hatrizay.
Fahatsiarovana maharitra
An'i Mama izay tsy foiko,
Ilay nitaiza ahy ho finaritra
Ka raketiko ao am-poko.
Maro be tsy ho voatanisa
Raha ny soa izay nomeny,
Ka miventso no any sisa
Hamelomako azy ireny.
Izao no tonga ao antsaiko
Izay ho entiko hamaranana,
Ny teny farany ho lazaiko
"Mandria am-piadanana."
Hasina ANDRIANARIVO © 2015
Sokajy :
fahatsiarovana, embona.
Mombamomba
Mpanoratra : Hasina ANDRIANARIVO

Nampiditra : hsn5
Daty : 08/04/2015
Mpamangy : 1525
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Ho anao ry DadabeL'amour d'une mère.
Tsiaro an'i Rivo Ramandiamanana